4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Ho fandresena - Rija Rasolondraibe

Tiako raha ianao samy hafa fianakaviana

Samy hafa fihaviana no mety mifandray

Toroy lalana aho hiaraka aminao

Ataontsika tanjona iray ilay firaisan-kina izay



Mpirahalahy mianala

Miara-milalao

Tokiko ianao, izaho tokinao

Meteza dia andao



Ho Fandresena, ho Fandresena ho anao

Fa fifaliana no hozaraina aminao

Ho fandresena ho fandresena ho anao

Andraisana anjara amin ity lalao



Tiako raha ianao samy hafa fianakaviana

Samy hafa fihaviana no mety mifandray

Hanoro lalana aho hiaraka aminao

Ho mendrika ho tanjona iray ilay firaisan-kina izay



Ho Fandresena, ho Fandresena ho anao

Fa fifaliana no hozaraina aminao

Ho fandresena ho fandresena ho anao

Andraisana anjara amin ity lalao



Ny fifankatiavana no hery mampihavana

Tsisy fanavahana ny fiarahana



Ho Fandresena, ho Fandresena ho anao

Fa fifaliana no hozaraina aminao

Ho fandresena ho fandresena ho anao

Andraisana anjara amin ity lalao



Tsara raha isika izao samy hafa fianakaviana

Samy hafa fiaviana no mety miara-dia

Haneho ny fitia amin’izao tontolo izao

Hirahira no hatao, iarahana manao



Ny fanaoko tany aminay

Mety tsy mbola iainanao

Ny fontsika izao miara-milalao

Hanandratra hira vao



Ny fifankatiavana no hery hampihavana

Tsisy fanavahana ny fiarahana



Ho fandresena, ho Fandresena ho anao

Fa fifaliana no hozaraina aminao

Ho fandresena ho fandresena ho anao

Andraisana anjara amin ity lalao



Ho Fandresena, Fandresena ho anao

Fa fifaliana no hozaraina aminao

Ho fandresena ho fandresena ho anao

Andraisana anjara amin ity lalao

Partager ho fandresena

Commenter ho fandresena

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Rija Rasolondraibe

Suite